<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Andry RASOLOFO</author>
<hymn_number>24</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ahitra ihany ny nofo rehetra
 Mihamaina sy mihalo
 Ny androny efa voafetra
 Voaisan'ny Ray Tsitoha
 Iza no sahy ny hifandahatra
 Amin' Ilay Mpahary
 He ny tany sy koa ny lanitra
 Henika ny Voninahiny

[C1]
   : Tsinontsinona izahay
   Eo anatrehanao ry Ray
   Ianao tsy miova
   Fa maharitra
   Ianao no Andriamanitra

[V2]
 Inona moa ny olombelona
 No dia tsarovanao
 Efa nanda ilay fiainana
 Izay nomaninao
 Vonin-javatra ireo hatsarany
 Ka zava-poana avokoa
 Mandalo toy ny aloka ihany
 Mora levona tokoa</lyrics>
<title>AHITRA IHANY ASAFA24</title>
</song>